Overblog
Suivre ce blog Administration + Créer mon blog

..............."Irony HIRA FAHINY an-tendro-molotry ny HO AVY".................. Tarika malagasy mifamihina amin'ny mozika Ba Gasy sy ny Kalon'ny Fahiny miaraka amin'ireo mbola miezaka manandratra ny kolontsaina malagasy. Hitanao ato ny rohy vitsivitsy ahafaha-mijery na mihaino ny hiran'ny Tarika.

RY IARIVOKO - FANGIA KALO GASY

....... RY IARIVOKO - FANGIA KALO GASY . Misoko mora anie, Tsy hay tohaina ho'aho ny tsiaro anao ry Iarivoko! Ny erinerin'i Manjakamiadana e Tarafin-danitra madio sy manga, Toa iry manangasanga! Na dia tsy hita hotazanina dia mbola tena mahamanina Ny...

Lire la suite

VELOMA - FANGIA KALO GASY

VELOMA - FANGIA KALO GASY . Mba mamiko ho'aho ka mamiko ny fodiana e! Ny manina manko, 'zay no hany fanafody! Fa na mety 'zay natao, na misy tsy fahampiana, Mandainga 'zay tsy ho dodona rehefa hody! . Ny tara-masoandro iry efa an-drefarefa e! Ny omby...

Lire la suite

MARAINA - FANGIA KALO GASY

MARAINA - FANGIA KALO GASY . Tomara-maraina e! ry lanitra iry! Manefy ny fanantenan'ny fo, fanahy sy saina ! Fa iny masoandro, tsy mianga-pitia ! Samy omeny ny tarany ny miaina ! . Ny tazon'ny omaly, dia indro misava, vao tsenain'ny tsikin'ny androa avy...

Lire la suite

Miara-droa - FANGIA KALO GASY

Miara-droa - FANGIA KALO GASY . Midobodoboka tsy miato ny fo Tsy laitra f'injao Topatopan'onjan-kery tokoa no mipololotra ao. . Midorehitra manitra ô! Lay takalo fitia! Ny afony manaka-danitra e! Tomaratra ery! . Hay zareo ny fitiavana rehefa tsy mandeha...

Lire la suite

Hanina an'i Gasikara - FANGIA KALO GASY

Hanina an'i Gasikara - FANGIA KALO GASY . Atopiko ny masoko reroy ô! Ho ery am-paratazana Fa any tokoa 'lay taniko tsy foy e! Ilay Nosy tanindrazana. . 'Lay tany niaviana sady andrian'ny fo ô! Fa kanto sy tena tsara 'Lay meva sady soa, 'lay maminay tokoa!...

Lire la suite

Ny R. FIDIMANANTSOA

... Poeta sady Mpanoratry ny vaninandro ankehitriny Ny R. FIDIMANANTSOA. RAKOTONIRINA Fidimanantsoa Philibert no tena anarany feno. Tsy hafa akory fa i Dadan'i Voara ihany izy ity. Niofana ho manampahaizana manokana momba ny Taotrano sy Asa Vaventy (Ingénieur...

Lire la suite

IKOPA - FANGIA KALO GASY

. IKOPA . Nisosa, nisosa Ikopa e ! Hikaroka lanitra manga, Niriotra, mahery fitopa e (ry lahy) Fa hoe ho any Mahajanga . Nitana azy ireo haram-bato, Fa ny herin’ny ditra : tsy tana; Niriotra, nisosa tsy niato ô! Tsy hainy ny hiafarana! . Kidobokidobo...

Lire la suite

VOARA Fidimanantsoa

"Irony HIRA FAHINY, an-tendro-molotry ny HOAVY" Kely manam-peo miavaka : hoavin’ny Bagasy i Voara, mpihira fototry ny Tarika FANGIA KALO GASY. Iray amin’ireo mpanakanto hanana ny maha izy azy eo amin’ny fanandratana ny hira malagasy avy eto an-kibon’Imerina...

Lire la suite

À propos

..............."Irony HIRA FAHINY an-tendro-molotry ny HO AVY".................. Tarika malagasy mifamihina amin'ny mozika Ba Gasy sy ny Kalon'ny Fahiny miaraka amin'ireo mbola miezaka manandratra ny kolontsaina malagasy. Hitanao ato ny rohy vitsivitsy ahafaha-mijery na mihaino ny hiran'ny Tarika.