Overblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog

..............."Irony HIRA FAHINY an-tendro-molotry ny HO AVY".................. Tarika malagasy mifamihina amin'ny mozika Ba Gasy sy ny Kalon'ny Fahiny miaraka amin'ireo mbola miezaka manandratra ny kolontsaina malagasy. Hitanao ato ny rohy vitsivitsy ahafaha-mijery na mihaino ny hiran'ny Tarika.

24 Sep

VOARA Fidimanantsoa

Publié par FANGIA KALO GASY

VOARA Fidimanantsoa

"Irony HIRA FAHINY, an-tendro-molotry ny HOAVY"

Kely manam-peo miavaka : hoavin’ny Bagasy i Voara, mpihira fototry ny Tarika FANGIA KALO GASY. Iray amin’ireo mpanakanto hanana ny maha izy azy eo amin’ny fanandratana ny hira malagasy avy eto an-kibon’Imerina ity zazavavy kely ity.

(News Mada)

.

VOARA du Groupe FANGIA KALO GASY chante les kalon’ny fahiny et le Bagasy. La manière dont elle a d’interpréter, de donner vie aux chansons théâtrales des années 30-60 est même bluffant. La petite fille qu’elle est encore, semble avoir été faite pour cela. Avec sa simplicité et sa candeur, Voara est tout simplement époustouflante.

(adaptation de l'article de Mahetsaka de MIDI Madagascar)

.

RAFIDIMANANTSOA Antso Voara

Teraka ny 12 desambra 2005 tao Antanimasaja Mahajanga i Voara. RAKOTONIRINA Fidimanantsoa Philibert, fantatra amin'ny solonanarana "Ny R. FIDIMANANTSOA" eo amin'ny literatiora sy ny famoronan-kira no Rainy, ary RALAIVAO Ravo Fenomanana no Reniny. Zaza fahatelo amin'izy efatra mianadahy mpiray tampo i VOARA, ary vavy tokana.

Ny vatany sy ny taonany no kely, fa ny talentany kosa lehibe sy mampiaiky volana ireo efa kalaza. Manana feo miavaka,ary mahafehy ny angola mampiavaka ny hira bagasy sy kalon’ny fahiny izy. « Izy no handimby anay ireo aoriana kely », hoy i Eric Manana, iray tamin’ireo mpikambana ao amin’ny tarika Madagascar All Stars, izay mahita sahady ny hoavy mamiratra amin’i Voara.

Avy aiza ilay talenta ? Kely dia nilomano tao anatin’ny zavakanto i Voara. Mpamoron-kira sy mpitendry gitara, havanana sy mirona amin’ny bà gasy, ny kalon’ny fahiny ary ny vazo arahin-gitara ny rainy. Vao telo taona monja izy, efa nihira tao anatin’ny antoko mpihira ankizy kely, Amboara Ritsopahasoavavana, Ekar Ambohimamory. Nitohy tamin’ny fiaraha-mihira tamin’ny rainy izany, rehefa fetim-pianakaviana.

Niaka-tsehatra ivelan’ny fetim-pianakaviana voalohany, tao amin’ny Hôtel des Thermes Antsirabe, izy ireo ny volana septambra 2014. Nanomboka teo ny fitsanganan'ny Tarika FANGIA KALO GASY, ary i Voara sy Fiphie (Rainy) ary i Solo dadatoany no nandrafitra izany.

Ireto misy hira roa azonao ianohana an'izany talentan'i Voara izany:

https://www.youtube.com/watch?v=-dY0ATT41SU

https://www.youtube.com/watch?v=SLUubeMQFU8

Ny 03 oktobra 2015 no niakatra sehatra lehibe voalohany niaraka tamin'i Erick Manana tao amin'ilay seho Madagascar All Stars i Voara. Nitohy tao amin'ny CC ESCA Antanimena izany ny 11 sy 13 mars 2016 tamin'ilay seho "Gitara roa, Feo roa" niarahany tamin'i Jenny nanotrona an'i Dama sy Erick Manana ihany. Nihagoavana kokoa ity seho ity rehefa naverin'izy ireo tao amin'ny lapan'ny fanatanjahan-tena sy kolontsaina ny 16 jolay 2016.

Antenaina hatrany ny fanohanantsika an'i Voara hanandratany hatrany ny kolontsaina malagasy.

Mbola milalao tahaka ny ankizy rehetra ihany i Voara an!

Mbola milalao tahaka ny ankizy rehetra ihany i Voara an!

Commenter cet article

À propos

..............."Irony HIRA FAHINY an-tendro-molotry ny HO AVY".................. Tarika malagasy mifamihina amin'ny mozika Ba Gasy sy ny Kalon'ny Fahiny miaraka amin'ireo mbola miezaka manandratra ny kolontsaina malagasy. Hitanao ato ny rohy vitsivitsy ahafaha-mijery na mihaino ny hiran'ny Tarika.