Overblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog

..............."Irony HIRA FAHINY an-tendro-molotry ny HO AVY".................. Tarika malagasy mifamihina amin'ny mozika Ba Gasy sy ny Kalon'ny Fahiny miaraka amin'ireo mbola miezaka manandratra ny kolontsaina malagasy. Hitanao ato ny rohy vitsivitsy ahafaha-mijery na mihaino ny hiran'ny Tarika.

27 Sep

RY IARIVOKO - FANGIA KALO GASY

Publié par FANGIA KALO GASY

RY IARIVOKO - FANGIA KALO GASY
RY IARIVOKO - FANGIA KALO GASY

....... RY IARIVOKO - FANGIA KALO GASY

.

Misoko mora anie,

Tsy hay tohaina ho'aho ny tsiaro anao ry Iarivoko!

Ny erinerin'i Manjakamiadana e

Tarafin-danitra madio sy manga,

Toa iry manangasanga!

Na dia tsy hita hotazanina

dia mbola tena mahamanina

Ny hanadino anao: Tsy ho vitako,

Na lavitra aza ianao, tsy hitako.

O ry Iarivo, tena mamiko e

Miorina aminao ny akaniko!

.

Mamoha tsiahy anie

ka mampanembona misaina anao ry Iarivoko!

Ny fidadasik'i Betsimitatatra

Toa hosodoko soa natao-Nahary

ka azo an-tsaina ho sary!

Na dia tsy hita hotazanina

dia mbola tena mahamanina

Ny hanadino anao: Tsy ho vitako,

Na lavitra aza ianao, tsy hitako.

O ry Iarivoko, ry akaniko e!

Mifangia ianao sy ny amiko!

.

Tonony: Ny R. FIDIMANANTSOA / Feony: Fangia

RY IARIVOKO - FANGIA KALO GASY
Commenter cet article

À propos