Overblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog

..............."Irony HIRA FAHINY an-tendro-molotry ny HO AVY".................. Tarika malagasy mifamihina amin'ny mozika Ba Gasy sy ny Kalon'ny Fahiny miaraka amin'ireo mbola miezaka manandratra ny kolontsaina malagasy. Hitanao ato ny rohy vitsivitsy ahafaha-mijery na mihaino ny hiran'ny Tarika.

25 Sep

IKOPA - FANGIA KALO GASY

Publié par FANGIA KALO GASY

IKOPA - FANGIA KALO GASY
"Hay vao sendra an’ilay Betsiboka, dia nateliny, tsy afa-nisoka...."
"Hay vao sendra an’ilay Betsiboka, dia nateliny, tsy afa-nisoka...."

.

IKOPA

.

Nisosa, nisosa Ikopa e !

Hikaroka lanitra manga,

Niriotra, mahery fitopa e (ry lahy)

Fa hoe ho any Mahajanga

.

Nitana azy ireo haram-bato,

Fa ny herin’ny ditra : tsy tana;

Niriotra, nisosa tsy niato ô!

Tsy hainy ny hiafarana!

.

Kidobokidobo : Any ilay rian-drano maria e!

Fa hoe mbola hipaka hatrany Katsepy ny dia

Hay vao sendra an’ilay Betsiboka,

Dia nateliny, tsy afa-nisoka!

Mba nandroso, f’indrisy tsy tody!

Nefa tsy afa-niverina hody

Na nandroso aza Ikopa, tsy tody leiretsy

No sady tsy tafody!

.

Ny lanitr’Iarivo: Tsy hainy iverenana intsony e!

Ilay Mahajanga: Na tiany, tsy hita, nafoiny ô!

Fa izay fanafody: tsy misy!

Latsa-nenina sisa, indrisy!

Te hanafatra ireo ‘zay vao hiainga;

Holazain’izy ireny fa lainga!

Dia mihodina, mila ho adala, (ry Nao)

F’efa tsy afaka miala!

Feonkira + (Dacapo)

.

Nisosa, nisosa Ikopa e! ...

Fa natelin’ilay Betsiboka e! ...

Zary nofy lay lanitra manga e! ...

Fa tsy hitany ilay Mahajanga e! …

.

Nisosa, nisosa Ikopa e!

Kanjo nofy lay lanitra manga

Fa natelin’ilay Betsiboka Ka tsy hitany i Mahajanga

.

Veloma ry lahy! Veloma ry Ikopa, Veloma e! …

Dia veloma any ho any e! (miverimberina)

.

Tonony : Ny R. Fidimanantsoa / Feo: Fangia

IKOPA - FANGIA KALO GASY
Commenter cet article

À propos