Overblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog

..............."Irony HIRA FAHINY an-tendro-molotry ny HO AVY".................. Tarika malagasy mifamihina amin'ny mozika Ba Gasy sy ny Kalon'ny Fahiny miaraka amin'ireo mbola miezaka manandratra ny kolontsaina malagasy. Hitanao ato ny rohy vitsivitsy ahafaha-mijery na mihaino ny hiran'ny Tarika.

15 Mar

VELOMA - FANGIA KALO GASY

Publié par FANGIA KALO GASY

VELOMA - FANGIA KALO GASY

Efa azonao henoina amin'ity rohy ity sahady ny "Veloma - FANGIA KALO GASY"

https://soundcloud.com/fangia-kalo-gasy/veloma-fangia-kalo-gasy

Mba mamiko ho'aho ka mamiko ny fodiana e!
Ny manina manko, 'zay no hany fanafody!
Fa na mety 'zay natao, na misy tsy fahampiana,
Mandainga 'zay tsy ho dodona rehefa hody!

Ny tara-masoandro iry efa an-drefarefa e!
Ny omby aza efa miakatra ho an-tanàna!
Mba satriko ny hitoetra sy hiaraka ho'aho kanefa
'ty tongotro maika hody toa tsy ho tana.

Toa tsinjoko an-dohako ato e
ry zandry manao tsobato
fa efa avy tan-tsekoly
ka miala voly,
I Neny misorona afo
manomana ny sakafo
Ry zoky mantsaka rano
etsy avara-trano!
Hanainga aho ho'aho leiretsy ka hangata-dalana,
hapetrako ny veloma mahalankalana...
Ezahina ny any aoriana, halalaka ny fotoana
hahafahana mbola hiaraka ihany foana!
Dia veloma e! 'lay hafatra no fihino:
Veloma ary enga mba tsy hifanadino.

Ny R. Fidimanantsoa

Commenter cet article

À propos